Tournée Internationale

R’imbosa-Kolibera 2016

"R'imbosa, Ambasadaoron'ny BaGasy"

Hitety firenena maromaro ny Tarika R'imbosa amin'ity taona 2016 ity amin'ny maha « Ambasadaoro'ny BaGasy » azy. Hotanterahina ny farampaan'ny volana martsa izany fitetezana firenena izany ary hifarana ny volana jolay 2016 ka anisan'ny hotsidihina amin'izany i Frantsa, Alemana, Soisa, Belzika, Etazonia, Kanada ary ny firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hanampy ny Tarika R'imbosa amin'izany i Kolibera, ilay mpitendry gitara bagasy sady mpamoron-kira manana ny lazany maneran-tany.



Hetsika maro no hotanterahina

Mimi et Lidy

  • Nasain'ny Komity Mpikarakara ny hetsika faha-41 ny Fihaonamben'ny Malagasy any Eoropa (Rencontre Nationale Sportive et Culturelle malgache na RNS) ho any Lyon ny Tarika R'imbosa ny 26 - 27 - 28 martsa;
  • Nasain'ny "Représentation Permanente de Madagascar auprès de l’UNESCO" ny Tarika R'imbosa ny volana jona;
  • Hetsika ara-kolontsaina maro (fampisehoana, atrikasa fampianarana ny BaGasy (tantara sy hafatra, hira, fitendrena piano sy gitara, kabary, dihin'ny ntaolo ary hira gasy, varotra-fampirantiana) ;

  • Vokatra handrasana

    Mbosa

  • mpitsidika manodidina ny 7000 mandritry ny RNS any Lyon;
  • vahiny manokana miisa 200 ao anatin'ny "Cercle des Délégués auprès de l’UNESCO" solontenan'ny firenena mpikambana ao amin'ny UNESCO mandritry ny hetsika ao Parisy;
  • hitsidika tanan-dehibe miisa 14 anatin'ny kaontinanta telo (Eoropa, Amerika Avaratra ary Ranomasimbe Indiana);
  • fampisehoana 14 sy varitra-fampirantiana, 3000 ny mpijery andrasana;
  • atrikasa miisa 28, 1000 ny mpandray anjara andrasana;
  • hivarotra rakipeo CD R'imbosa miendrika "digipack" miisa 2000 isa (volume 4) miaraka amin'ny bokikely amin'ny fiteny telo (malagasy, frantsay, anglisy);
  • hivarotra rakitsary DVD R'imbosa sy Kolibera miendrika "digipack" 500 isa;
  • hivarotra ny boky Tiona BaGasy amin'ny fiteny roa (malagasy sy frantsay), angona naoty hira bagasy;
  • hivarotra ny boky «Angona Barijaona» (tantaram-piainany sy angona ny tononkirany);
  • hivarotra ny boky «Hazo Be Ravina» (tantara ravahan-kira, sanganasan'i R'imbosa).


  • Tohano ny "Tournée internationale R'imbosa-Kolibera 2016"

    Maninona no tohanana izahay?


    Mila enti-manana ara-bola goavana be ny fikarakarana fitetezam-paritra amina firenena maro tahaka izao. Tsy ho efan'ny Tarika R'imbosa irery anefa izany.


    Raha manohana ny fitetezam-paritra hataonay ianao dia sady ho tanteraka ny dokambarotra ny vokatry ny orinasanao no mampifandray ny sary sy ny endriky ny orinasanao amin'ny fampiroboroboana ny Bagasy, izay vakoka ara-kolontsaina tokana aman-tany ihany kosa.


    Geba Vavah Tojo

    Ho hitan'ny olona maro any Frantsa, Alemana, Soisa, Belgika, Etazonia, Kanada ary amin'ny firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana izany sary miabon'ny orinasa mpanohana izany.


    Satria fantatray fa miara-miombona aminay amin'izany tanjona izany ianao dia tsy misalasala izahay miantso anao mba hanohana anay, ka hahatonga io fitetezam-paritra io ho tanteraka soamantsara ary ho fantatra, hankamamiana ary hohajain'ny olona rehetra manerana izao tontolo izao ny Bagasy.


    Ho tambin'ny fanohanana ataonao dia hanolotra vokatra maromaro hisy ny mari-pamantaran'ny orinasanao na ny vokatrao izahay R'imbosa. Ny tanjona amin'izany dia :

  • hampiroborobo ny orinasanao ;
  • hametraka paikady ara-tserasera voafaritra tsara ;
  • hampahafantatra araka izay tratra ny orinasanao eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ;
  • hanetsika ny mpanjifanao na ny tetikasanao.

  • Comment appuyer

    Télécharger notre brochure de sponsoring (8,84 Mo).

    Cliquez ici pour le télécharger

    Vaovao farany

    Tsindrio eto raha te hahalala misimisy.
    Tsindrio eto raha te hahalala misimisy.

    Vahinin'ny fandaharana "Zooma du Capricorne" ny Tarika R'imbosa ny zoma 12 febroary 2016. Raha te hahalala misimisy...


    Rakikira farany

    Zanakazo ambolena
    Boky: Tiona BaGasy
    Boky 80 pejy + CD feonkira piano
    • RABENASOLO Imboasalamaniaina
    • RAMORASATA Olivier
    • NJATOARIMANGA Tojoniaina
    • Mbosa RABENASOLO
    • Studio MAXON
    • 19 oktobra 2015

    Ahitanao:

    • Ny tantaran’ny bagasy, ny mampiavaka ny bagasy ary ny mahasarotra ny fanoratana ny bagasy;
    • Hira 10 vita Sol-Fa ho an’ny mpihira sy hira 12 vita sorapeo (solfège) ho an’ny mpitendry, ny momba ireo mpamoron-kira 12 sy mpanoratra tononkira sasany, voambolana malagasy sy ny dikany amin’ny teny frantsay


    Tahirin-tsary
    Hijery ny sary rehetra
    Sary amam-peo

    Manaraha anay

    R'imbosa

    (ATAUM Maintimolaly - Sehatra BaGasy)

    B.P. 1156 - Antananarivo 101 - MADAGASCAR

    Tel: (+261) 32 02 094 44 / 33 72 665 95 / 34 01 266 91

    contact@rimbosa.com / rimbosa@gmail.com

    Copyright © 2016 R'imbosa

    Conception: Tojoniaina NJATOARIMANGA